Lehilahin' ota

Ny lehilahin' ota na lehilahin' ny fandikan-dalàna, ny lehilahin' ny fikomiana, na ny lehilahin' ny fivadiham-pinoana dia olona resahina ao amin' ny Baiboly kristiana ao amin' ny Epistily faharoa ho an' ny Tesalôniana. Matetika izy no ampitoviana amin' ny Antikristy ao amin' ny eskatôlôjia kristiana. Atao amin' ny teny grika hoe ὁ ἄνθρωπος τῆς ἁμαρτίας / ho anthrōpos tēs hamartias na ἀνομίας / anomias izany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy